Mark 14

1Ary roa andro mialohan’ny Paska sy ny Fankalazana ny fihinanana ny Mofo Tsy misy Masirasira tamin’izany. Nitady fomba hisamborana an’i Jesosy mangingina ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avy eo. 2Fa hoy izy ireo hoe: “Aleo tsy amin’ny andro fety, mba tsy hampitabataba ny olona.”

3Raha tany Betania tao an-tranon’i Simona boka Jesosy, raha nipetraka teo an-databatra Izy, dia nisy vehivavy iray nanatona Azy nitondra tavoara alabastara misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony. Novakiany ilay tavoara dia nararany teo amin’ny lohany izany. 4Nahatezitra ny olona sasany anefa izany. Nifampiresaka izy ireo ka nanao hoe: “Inona no anton’izao fandanindaniam-poana izao? 5Io menaka manitra io dia afaka namidy mihoatry ny denaria telonjato, ary nomena ny mahantra.” Dia nibedy ilay vehivavy izy ireo avy eo.

6Nefa hoy Jesosy hoe: “Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Zavatra tsara no nataony tamiko. 7Ny mahantra dia eo aminareo mandrakariva, ary afaka hanao asa soa ho azy ireo foana ianareo na amin’ny fotoana inona na fotoana inona, fa Izaho kosa tsy hitoetra eo aminareo mandrakariva. 8Nanao izay azony atao izy: nanosotra ny tenako ho amin’ny fandevenana izy. 9Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, dia ho lazaina ny nataon’ity vehivavy ity, mba ho fahatsiarovana azy.”

10Avy eo Jodasy Iskariota, iray tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, lasa nankany amin’ireo lohan’ny mpisorona hahafahany manolotra Azy eo amin’izy ireo. 11Rehefa nandre izany ireo lohan’ny mpisorona, dia faly izy ireo ka nampanantena hanome vola azy. Dia nanomboka nitady irika hanolorana Azy amin’izy ireo izy.

12Tamin’ny andro voalohan’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, rehefa nanao sorona ny ondrin’ny Paska izy ireo, dia hoy ireo mpianany taminy hoe: “Aiza no tianao alehanay hikarakarana sakafo, mba hinananao ny sakafon’ny Paska?” 13Dia naniraka roa tamin’ireo mpianany Izy ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Mandehana any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo. Manaraha Azy. 14Izay trano hidirany, manaraha azy dia lazao ny tompon’izany trano izany hoe: ‘Hoy ny Mpampianatra hoe: “Aiza ny efitrano fandraisam-bahiny ahafahako miara-mihinana ny Paska amin’ireo mpianatro?”’

15Hanoro anareo efitrano lehibe ambony rihana misy fanaka izay efa vonona tsara izy. Ao no ataovy ny fanomanana rehetra ho antsika.” 16Dia lasa ny mpianatra ary nihazo ny tanàna. Hitan’izy ireo araka izay efa nolazainy tamin’izy ireo ny zava-drehetra, dia nanomana ny sakafon’ny Paska izy ireo.

17Rehefa hariva ny andro, dia tonga niaraka tamin’ireo roa ambin’ny folo lahy Izy. 18Rehefa nipetraka teo an-databatra sy nihinana izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa ny iray aminareo izay miara-mihinana amiko eto dia hamadika Ahy”. 19Nalahelo mafy izy rehetra, ka niteny taminy ny tsirairay hoe: “Tsy izaho mihitsy izany?”

20Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: “Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo izany, ilay iray miara-manatsoboka mofo amiko anaty lovia izao.” 21Fa ny Zanak’Olona dia handeha amin’ny lalana izay efa voalazan’ny Soratra Masina momba Azy. Fa loza kosa ho an’izany lehilahy izay mamadika ny Zanak’olona izany. Tsara ho azy kokoa aza raha tsy teraka izy.”

22Raha mbola teo am-pihinanana izy ireo, dia nandray ny mofo i Jesosy, nisaotra, ary nizarazara izany. Natolony azy ireo izany sady nanao hoe: “Raiso, ity no vatako.” 23Dia nandray ny kapoaka Izy, nisaotra, ary nanolotra izany azy ireo, dia nisotro tamin’izany izy rehetra. 24Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Ity ny ràn’ny fanekem-pihavanako, rà izay alatsaka ho an’ny maro. 25Lazaiko marina aminareo, tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity intsony Aho mandra-pahatongan’ny andro izay hisotroako izany indray any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

26Rehefa avy nihira fiderana izy ireo, dia nandeha teny an-tendrombohitr’Oliva. 27Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry ondry Aho ary hiparitaka ny ondry.’

28Fa rehefa avy hatsangana amin’ny maty Aho, dia hialoha lalana anareo ao Galilia.” 29Dia hoy Petera taminy hoe: “Na dia handao avokoa aza ny rehetra, izaho tsy mba handao.”

30Hoy Jesosy taminy hoe: “Lazaiko marina aminao, fa anio alina, raha mboola tsy maneno in-droa akory ny akoho, dia efa handà Ahy in-telo ianao.” 31Fa hoy Petera hoe: “Na tsy maintsy hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao.” Dia samy nampanantena toy izany avokoa izy rehetra.

32Ary tonga tany amin’ny toerana atao hoe Getsemane izy ireo, dia hoy Jesosy tamin’ireo mpianany hoe: “Mipetraha eto raha mbola mivavaka Aho.” 33Dia nitondra an’i Petera, sy Jakoba, ary Jaona niaraka taminy Izy ary nanomboka nalahelo sady ory tanteraka. 34Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Fadiranovana loatra ny Fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ka miambena.”

35Nanalavitra kelikely Jesosy, niankohoka tamin’ny tany, dia nivavaka Izy mba raha toa ka azo atao, dia hiala Aminy izany ora izany. 36Hoy Izy hoe: “Aba, Ray o, ny zavatra rehetra hainao atao. Esory amiko ity kapoaka ity. Nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao.”

37Niverina Izy dia nahita azy ireo natory, ka hoy Izy tamin’i Petera hoe: “Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao? 38Miambena dia mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy.” 39Dia lasa indray Izy nisintaka kely ary nivavaka, ary dia namerina ny teny nataony teo aloha ihany.

40Niverina indray Izy dia nahita azy ireo natory, fa navesatry ny torimaso ny mason’izy ireo ary tsy hitan’izy ireo izay nolazaina taminy. 41Nanatona fanintelony Izy ka niteny azy ireo hoe: “Mbola matory sy maka aina foana va ianareo? Ampy izay! Efa tonga ny fotoana. Jereo! Ny Zanak’Olona novadihana hatolotra eo an-tanan’ny mpanota. 42Mitsangàna; andao andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy.”

43Ary raha mbola teo am-pitenenana Izy, dia tonga Jodasy, iray amin’ireo roambinifolo lahy, niaraka tamina vahoaka maro izay nilanja sabatra sy langilangy, avy amin’ireo lohan’ny mpisorona, ny mpanoradalàna, ary ny loholona. 44Ary ilay mpamadika Azy nanome famantarana azy ireo, niteny hoe: “Izay horohako, Izy ilay Izy. Sambory Izy dia ambeno.” 45Rehefa tonga Jodasy, dia nanatona an’i Jesosy avy hatrany izy sady niteny hoe: “Raby,” ary nanoroka Azy izy. 46Avy eo dia nosamborin’izy ireo Jesosy.

47Fa nisy iray tamin’ireo nijoro teo namoaka ny sabatrany ary namely ilay mpanompon’ny mpisoronabe ka nanapaka ny sofiny. 48Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Avy hisambotra Ahy, toy ny hisambotra jiolahy, miaraka amin’ny sabatra sy langilangy va ianareo? 49Tamin’Izaho teo aminareo isan’andro sy nampianatra teo amin’ny tempoly, tsy nosamborinareo. Fa natao izao mba hahatanteraka ny Soratra Masina.” 50Dia nandao Azy avokoa ireo rehetra niaraka tamin’i Jesosy ary niery.

51Ary nisy zatovo lahy anankiray, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry fotsiny ihany, nanaraka an’i Jesosy. Rehefa nosamborin’ny olona izy 52dia navelany teo ny lambany ka lasa nandositra nitanjaka izy.

53Nentin’izy ireo tany amin’ny mpisoronabe Jesosy. Niara-niangona taminy teo daholo ny mpisorona rehetra, sy ny loholona, ary ireo mpanora-dalàna. 54Ary Petera nanaraka Azy avy eny lavidavitra eny, hatrany amin’ny tokontanin’ny mpisoronabe. Nipetraka teo amin’ireo mpiambina izy, izay namindro teo akaikin’ny afo.

55Ary ireo lohan’ny mpisorona sy ny Synedriona Jiosy dia nitady vavolombelona manohitra an’i Jesosy mba hahafahan’izy ireo mamono Azy ho faty. Saingy tsy nahita izy ireo. 56Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa na ny fiampangan’izy ireo aza tsy nitombomona akory.

57Ary nisy olona sasany nitsangana ka niampanga lainga Azy; hoy izy ireo hoe: 58“Renay Izy niteny hoe: ‘Ho ravako ity tempoly natao tanana ity, ary ao anatin’ny telo andro Aho dia hanangana iray hafa tsy nataon-tanana.”’ 59Fa mbola tsy nifanaraka ihany ny fiampangan’izy ireo.

60Ary ny mpisoronabe nijoro teo amin’izy ireo dia nanontany an’i Jesosy hoe: “Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan’ireto olona ireto Anao izany?” 61Fa nangina Izy sady tsy namaly na inona na inona. Dia mbola nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao hoe: “Ianao va no Kristy, Zanak’Ilay voatahy?” 62Dia hoy Jesosy hoe: “Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’Olona rehefa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny herin’Andriamanitra sy avy eny amin’ny rahon’ny lanitra.”

63Ary ny mpisoronabe nandrovitra ny fitafiany sady nanao hoe: “Mbola mila vavolombelona ihany va isika? 64Efa renareo ny fitenenan-dratsy. Inona no fanapahan-kevitrareo?” Izy rehetra dia samy nanameloka Azy toy ny olona mendrika ny ho faty. 65Ny sasany nanomboka nandrora Azy ary nanarona ny tavany ka namely Azy ary nanao taminy hoe: “Maminania!” Ary ireo manam-boninahitra naka Azy ka nidaroka Azy.

66Ary raha teo ambany teo an-kianja Petera, dia nanatona azy ny iray tamin’ireo mpanompo vavin’ny mpisoronabe. 67Nahita an’i Petera nijoro namindro teo amin’ny afo izy, dia nodinihany akaiky. Dia hoy izy taminy hoe: “Ianao koa niaraka tamin’ilay Nazarena, Jesosy”. 68Fa izy nandà izany, nanao hoe: “Tsy fantatro sady tsy azoko izay teneninao.” Avy eo lasa niala ny kianja izy. [Fanamarihana: Ireo fandikana sasany manampy hoe: “Dia naneno ny akoho,” fa ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy misy an’io teny io.]

69Fa ilay ankizivavy teo nahita azy dia nanomboka niteny tamin’ireo olona nitsangana manodidina indray hoe: “Io lehilahy io dia iray amin’izy ireny!” 70Fa mbola nandà izany indray izy. Kelikely avy eo dia hoy ireo nitsangana teo tamin’i Petera hoe: “Iray amin’izy ireo mihitsy ianao, satria ianao koa dia Galiliana.”

71Fa nanomboka nanozon-tena sy nianiana izy hoe: “Tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany.” Ary niaraka tamin’izany dia naneno fanindroany ny akoho. Avy eo dia nahatsiaro ny tenin’i Jesosy taminy Petera hoe: “Raha tsy mbola maneno fanindroany ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao,” Dia nalahelo mafy izy sady nitomany.

72

Copyright information for PltULB